top of page

Tononkalo

Monina aiza ny fanahy ?


Ny fanahy onenanao no taratry ny endrikao


Ny endrikao fanahy ry mpandalo mba lazao


Maso taratra hazavana kajakajam-pahendrena


Sa tevan-kaizin-kitsokitsoka mahafaty ny volena
 

 


Eny am-bato miantendro soritry ny fahanginana


Any am-para vazan-tany tsy todin-kely fanambinana


Sa eo am-patan-tsy misorona iharenan'ny feno arina


Sasatry ny tenin-doto, lanaky ny tsy tafarina ?

 



Monina aiza ny fanahy izay onenanao ry Olona


Lany dìa mihazakazaka mifanenjika olonolona


Raha tokona hifanohana hisongàna ambonimbony ?
 

 


Ny fotoana izay mandoko ny endrikao ho takariva


Mbola ho lany verivery amin'ny taratra mihaiva


Sa homenao hampisandratra ny endrikao fanahy ho tony ?...

 



Hanitr'Ony

 

TSIKY FOANA

Laka-notefen'ambora
Zahatra entin'onja mora
Sambo vy mpisedra onja
Mety halentik'ora monja
Rehefa sendra ny mafonja
Tsy voasedra ka nanonga...
Tsiky foana ihany asetry
Ny sompatry ny hery setra

Torohevitra natolotra
Niova ho rofy nampimolotra
Izato endri-nolalaina
Nety ho tena nantenaina
Nefa zary nampangaina,
Ny fitiava-nambakaina...
Aza avela ho voafafa
Tsiky foana no fanafa.

Vony teo amoron-driana
Tsy notazana, Raondriana
Fa dia vatra nibitsihana
Sy norohana ho fihina
No nandao tsy nisitrihana
Ha! 'ty fela-nilitihana!...
Tsiky foana aloha asolo
Ratram-po efa mandolo.

Fanambinana no antsoiny
Fiherenana ho ambony
Famafàna lonilony
Faneken-tsy ho resy intsony
N'inon'inona ampitsoiny
Andramo kely anie 'zany, hono,
Tsiky foana foana alohany
Dia lefahany ny fony...

Hanitr'Ony

 

bottom of page