top of page

Iza moa i Hanitr'Ony ?

Narindran'i F-X. MAHAH :

 

Nisy fotoana niheverako fa tsy ilaina amin’ny fahazoana tononkaolo iray ny fahalalana ny fiaimpiainan’ny poety nanoratra azy. Raha ny tononkalo toy ireo nosoratan’i Randja Zanamihoatra tokoa no jerena dia tsy mitondra inona loatra amin’ny famakafakana ny tononkalony ny fahalalana ny fiainan’ny mpanoratra. Izay rehetra ilaina amin’ny fahazoana ny tononkalo dia efa voafono ao anatiny avokoa. Raha mamerina mamaky ny tononkalon’Ny Avana sy  Rabearivelo kosa anefa avy namadibadika ireo pejy milazalaza ny fiainany avy dia hazava mora foana izay sarotsarotra tao amin’ny tononkalo sasany. Noho io antony io no inoako ankehitriny fa ilaina ny fahalalana ny poety. Modely tsara ny famakafakana nataon’Atoa Régis Rajemisa-Raolison ny tononkalon’i Rabearivelo Fasana faharoa. Tsy izay filazalazana rehetra anefa akory no afaka hanampy ny mpamaky tononkalo fa misy vao mainka aza mampisavorovoro ny sasany. Araka izany dia hiezahako ny hampisongadina izay tokony hofantarina momba ity poety ho resahintsika eto ity. Tsy iza izany fa Ramatoa Salomon Andriamasinony Josiane fantatra eo amin’ny sahan’ny haisoratra amin’ny solon’anarana Hanitr’Ony.

 

Poety mbola tanora tokoa izy kanefa dia azo lazaina fa efa nandia lalan-davitra teo amin’ny sahan’ny haisoratra satria vao sivy taona izy no nanomboka nanoratra.

 

Ny fiaviany  sy ny zava-kanto.

 

Tao Anatananarivo no nahaterahany. Miandahy izy no zanak’i Salomon Andriamparanony Roger sy Rahelinantoanina Marie Joseph Félicité Aimée. Izy no zandriny ka ny zokiny Salomon Andrianantoanina  Christian na Andry Salomon dia mpanankanto ary poety ho resahintsika eto amin’ity sehatra ity koa atsy ho atsy satria isan’ireo folo nanangana ny sampana UPEM Havatsa-Frantsa.

 

Ny Ray aman-dReniny dia samy mpanakanto sy mpihira ary mpamoron-kira efa fantatra eran’i Madagasikara  hatraty  ivelany aty aza amin’ny alalan’ny tarika Sorajavona.

 

Raha manao indray mijery ny tetiaran’ny fianakaviany isika dia hahita fa fianakaviana nitandro sy nandova ny fiatiavana zava-kanto no nipoiran’I Hanitr’Ony satria ny Reniben’ny renibeny dia isan’ireo mpitendry valiha tao Manjakamiandana fahizany. Ny raibeny avy amin’ny reniny dia mpikabary sy mpitendry zava-maneno sy mpilalao teatra. Dia mbola io fianakaviana io ihany koa no ahitantsika ny anaran’i Jean-Verdi Salomon Razakandraina izay tsy zoviana fa fantatry ny be sy ny maro amin’ny solonan’anarana DOX raibeny avy amin’ny rainy.

 

Hitantsika araka izany avy hatrany fa nilona tao anatin’ny zava-kanto i Hanitr’Ony ka tsy mahagaga ny fifohazan’ny talentany  maraina dia maraina.

 

Samy nandovan’i Hanitr’Ony avokoa ny talentan’ny mpanankato tao amin’ny fianakaviany fa nisarika azy na ny soratra na ny hoso-doko, izay nanavanana  an’i DOX raibeny rahateo koa, na ny zava-maneno na ny dihy. Vao niana-nandeha izy dia nianatra nandihy. Vao nahay nanoratra dia ny nanolotra tononkalo ho an’ny ankohonany no fifaliany.

 

Ny fahazazany  sy ny zava-kanto.

 

Hoy indrindra i Hanitr’Ony mitantara ny fahazazany : “Teo Ambodinisotry no nihalehibe aho hatramin'ny faha-sivy taonako. Tao dia ny mozika no tena nitaiza ahy. Nifanerasera tamin'artista maro Malagasy sy Vahiny niara-niasa tamin'i Dada sy i Neny. Teny Beravina Avarabohitra izahay no nipetraka tamin'ny fotoana tena nanombohako nanoratra, nipololotra ny aingam-panahy. Mandehandeha bisikilety eny am-pitan'ny tanimbary sy ny heniheny izahay ary indraindray mandeha eny an-tsaha na manjono.“

 

Nony niala teny Beravina Avarabohitra izy ireo dia toy izao no fitantaran’i Hanitr’Ony : “Avy eo dia teo Sahalemaka (Ambaniala) indray no nipetraka izahay, saingy efa tsy dia nonina tao aho satria nipetraka teny Ivontovorona noho ny fianarana momba ny elektronika nataoko tao amin’ny ESPA (Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo), ny tontoloko teny dia ny tendrombohitra, ny lohasaha sy havoana, ny bibilava manapa-bozaka, ny fahanginanana, ankoatra ny namana, ny fianarana, ary ilay tany mena manara-damba ka nahafantarana anay dieny avy lavitra rehefa maka vatsim-pianarana eny Ankatso hoe ireny ny "Pôlÿ". Mitsangantsangana izahay matetika tany ary misy farihy lehibe izay tena mahafinaritra tokoa fialana voly rehefa vita fanadinana. Ny tambanivolo no fahita isan'andro ankoatra ny mpianatra sy ny mpampianatra.

 

Ireto avy no sekoly nianarany tao Antananarivo:

 

Ecole Providence Amparibe 1983-1989

Kolejin’i Maria Manjaka Adohalo 1989-1993

Collège Saint-Michel Amparibe 1993-1996

ESPA (Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo), Anjerimanontolon’Antananarivo, nanomboka tamin’ny taona 1996 ka nahazoany ny diploma maha-injeniera azy.

 

 

Ny tena nanombohany nanoratra.

 

Matetika ny talenta ananan’ny ankizy no tsy maharitra fa ny an’i Hanitr’Ony kosa dia niara-nitombo taminy  ny fitiavana manoratra,  dihy ary mozika. Niditra ho mpikamba tao amin’ny Sandratra izy ary niantsa tononkalony voalohany tamin’ny taona 1993. Tsy nionona tamin’ny talenta anefa izy fa  nanararaotra izay rehetra mety hampitpombo ny fahalalany ny teny Malagasy sy ny fomba fanoratana. Dia nanaraka ny fiofanana literera momba ny haisoratra sy ny fomba fanoratana  Ranto 95 nokarakarain’ny Akademia Malagasy izy tamin’ny taona 1995 Namoaka asa soratra tamin’ny gazety samihafa izy : Tribune, Midi Madagasikara, Ny Gazetiko, Akama…Tamin’ny fankalazana ny faha-45 taonan’ny UPEM  taona nilatsahany ho mpikambana  no namoahany ny “Felan-tatamo : Bitsik’Ony”  Ny tononkalo tao anatin’io boky kely io sy izay tao amin’ny  Santa-bokatra  navoakan’ireo nanorina ny sampana UPEM-Havatsa Frantsa no nampiasaina tamin’ity fanadihadiana ity. Tsy nionona tamin’ny famoahana tononkalo tamin’ny gazety ihany anefa I Hanitr’Ony fa nisy tamin’ireo sorany no novakiana tamin’ny onjam-peo na novakiany an-kalamanjana. Tamin’ny taona 2004 izy no isan’ireo mpanomana ny fananganana ny sampana UPEM-Havatsa Frantsa. 

Hanitr'Ony sy Dédé Sorajavona ao amin'ny Radio Bitsika

(c) Onimanitra, Paris

bottom of page